Aller au contenu

Raketa

Avy amin'i Wikipedia
Karazan-draketa maro

Ny raketa dia fianakavian-javamaniry be nofo sady misy tsilo avy any Amerika nefa hita koa aty Afrika sy ao Aostralia ary any amin' ny faritra manodidina ny Ranomasina Mediteranea. Cactaceae no anaran' io fianakavina io ara-tsiansa. Tsy tokana ny karazan-draketa fa misy any amin' ny roa arivo any ho any ka ny ankabetsahany dia maniry amin' ny faritra manana toetany karankaina. Misy nofony azo atao sakafo sy ranony azo atao fisotro ny voan-draketa.

Misy tahony be tsilo (izay antsoin' ny olona hoe "ravin-draketa") sy fakany ny ankamaroan' ny karazan-draketa. Tsy dia tena misy taova azo lazaina hoe "ravina" ny raketa, raha ny tena marina, ka matetika kely dia kely na lasa tsilo amin' ny ankapobeny ny tokony hantsoina toy izany. Mibontsina sady nofosana noho izy mitahiry rano ny tahon-draketa. Misandrahaka saika manakaiky ny ety ivelan' ny tany aniriany ny fakan-draketa na dia misy ireo faka mahatakatra lalindalina kokoa ka ahafahany mifikitra mafy amin' ny tany. Any amin' ny tany hay ny raketa dia maniry mifanelanelana lavitra.

Raketa

Ny fisian' ny faritra ivoahan' ny tsilo no tena mampiavaka ny raketa amin' ny zavamaniry hafa. Tsy misy tsilo ny raketa sasany fa karazana volovolo na zavatra mampalailay izay mitombo eo amin' ireo faritra tokony hanirian' ny tsilo no misolo ny tsilo. Matetika mahafinaritra jerena nefa tsy maharitra ny vonin' ny raketa. Maro ny lahimbonin' ny raketa. Matetika ny voan-draketa no miloko marevaka sady be nofony. Volen' ny olona mba hanaingo tanàna ny ankamaroan' ny karazan-draketa ka ny reketa tsy dia mitombo firy no tena tian' ny olona atao an' izany.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy