Aller au contenu

Ranomasina Maty

Avy amin'i Wikipedia
Ny Ranomasina Maty, jerena avy ambony amin' ny satelita

Ny Ranomasina Maty dia farihy masira ao Palestina any Atsinanana-Akaiky eo anelanelan' i Jôrdania sy i Israely any andrefana. Mivarina ao aminy ny ony Jordana (na Joridany). Mirefy 1015 km2 ny velarany, 85 km ny halavany ary 17 km ny sakany. Any amin' ny 392 m ambanin' ny haavon' ny ranomasina ny misy azy. Farihy be sira loatra ny Ranomasina Maty (275 g/l raha tokony ho 2,4 g/l) ka tsy ahitana trondro na lomotra maitso afaka mivelo. Teo akaikin' ny morony, tao Kirbeta Komrano no nahitana ireo soratanam-piraketana manana ny lanjany lehibe amin' ny tantaran' ny Eseniana.

Ny anarany

[hanova | hanova ny fango]

Ny anaran' ny Ranomasina Maty amin' ny teny arabo dia البحر الميت / al-Baḥr al-Mayyit na بحر لوط / Bahr-Lût izay midika hoe "Ranomasin' i Lota". Amin' ny teny hebreo kosa dia יָם הַ‏‏מֶּ‏‏לַ‏ח / Yâm HaMelaḥ, izay midika hoe "Ranomasin-tsira".

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy