Aller au contenu

Joany Hirkano II

Avy amin'i Wikipedia

I Joany Hirkano II dia mpanjakan' i Jodea (na Jodia) tamin' ny taona 67 tal. J.K. hatramin' ny taona 63 tal. J.K., zanaka lahin' i Salôme Aleksandra sy Aleksandro Janeo. Tamin' ny taona 76 tal. J.K. i Joany Hirkano II dia notendren-dreniny ho mpisoronabe sy andrianan' i Jodea (na Jodia). Lasa mpanjaka izy tamin' ny fahafatesan-dreniny. I Aristôbolo II anefa naka an-keriny ny fitondrana ka nanery an' i Hirkano II hanaiky ny fifanarahana izay nametraka an' i Aristôbolo II hitana ny fahefana ara-pôlitika fa i Hirkano II kosa ny fahefana ara-pivavahana.

Tamin' izany fotoana izany dia nanampy an' i Hirkano II hiverina indray eo amin' ny maha mpanjaka azy i Antipatrôsy Idomeana (na Antipatera Idomeana), izay mponin' i Jerosalema notoavin-teny sy be hambom-po. Nikononkonona fikomiana hanonganana an' i Aristôbolo II mba hamerena an' i Joany Hirkano II i Antipatrôsy ka niteraka ady an-trano tao Jodea izany tamin' ny taona 67 tal. J.K. hatramin' ny taona 63 tal. J.K.

Tamin' ny taona 63 tal. J.K. dia nandray anjara tamin' ny ady hakana an' i Jerosalema i Pômpeio, mpitari-tafika rômana, ka nahatonga an' i Aristôbolo II sy ny fianakaviany akaiky ary ny Jiosy hafa maro koa hisesy tany any Rôma. Naverina amin' ny maha mpanjaka sy mpisoronabe azy indray i Joany Hirkano II. Nahenan' i Pômpeio ny tanin' ny Jiosy tao Palestina. Taorian' ny fahafatesan' i Pômpeio (taona 48 tal. J.K.) dia nanohana an' i Jolio Kaisara i Joany Hirkano II sy Antipatrôsy ka ho takalon' izany dia natao governora rômanan' i Jodea (prôkoratôra) i Antipatrôsy. I Hirkano II kosa natao mpisoronabe sy nomena ampaham-pahefana ara-pôlitika. Naverina amin' ny Jiosy indray ireo tany nesorin' i Pômpeio taminy sady nesorina avy ao Jodea ny miaramila rômana.

Nisy namono i Jolio Kaisara tamin' ny taona 44 tal. J.K. ary i Antipatrôsy koa tamin' ny taona 43 tal. J.K. Tamin' ny taona 40 tal. J.K. dia nisambotra an' i Joany Hirkano II tamin' ny alalan' ny tafiky ny Parta i Antigônôsy II zanak' i Aristôbolo II. Nanandratra ny tenany ho mpanjakan' i Jodea i Antigônôsy II nefa tamin' ny taona 39 tal. J.K. ny Loholona rômana dia nametraka an' i Herôda I Lehibe ho mpanjakan' i Jodea. Nalefa tany Jodea i Herôda nitondra tafika rômana ka nisambotra an' i Antigônôsy II tamin' ny taona 37 tal. J.K. sy namono azy avy eo.

Naverina hody any Jerosalema i Joany Hirkano II izay efa antidahy. Nandray anjara tamin' ny tetika hamonoana an' i Herôda anefa i Hirkano II ka novonoina tamin' ny taona 30 tal. J.K.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy