Aller au contenu

Fiovan' ny toetany

Avy amin'i Wikipedia
Fiovan' ny fambolena. Misy fiatraikany ratsy amin' ny fambolena ny hain-tany sy ny fiakaran' ny maripana ary ny toetrandro mahery vaika. Texas, Etazonia.

Ny fiovaovan' ny toetany dia ny fiovana rehetra ao amin' ny lamin-drafitry ny toetany izay maharitra ela kokoa noho ny fiovana eo amin' ny toetrandro. Ny fiovan' ny toetany dia mitranga amin' ny fari-potoana anatin' ny taona ka hatramin' ny antapitrisa taona ary misy fiovana ny antontanisa momba ny toetany maneran-tany na ny toetany isam-paritra. Misy koa ny manao hoe "fiovaovan' ny toetrandro" nefa ny teny hoe "toetrandro" (amin' ny fotoana tsy maharitra, mety ho iray andro na andro maromaro) dia tsy mitovy hevitra amin' ny hoe "toetany" (maharitra am-polony na an-jato taona na mihoatra aza).

Pangea

Ireo fiovana ireo dia mety ho voajanahary, vokatry ny toetran' ny Tany (fiovana anatiny), vokatry ny zavatra avy ety ivelany na vokatry ny asan' ny olombelona (fiovan' ny toetany ankehitriny vokatry ny fandefasana etona mampihiboka hafanana indrindra amin' ny fampiasana fandrehitra avy any anaty tany).

Niova ny toetany nandritra ny tantaran' ny Tany, miaraka amin' ny fiovan' ny toetany eo anelanelan' ny vanim-potoana jeôlôjika samihafa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy