Aller au contenu

Fihafanan' ny tany

Avy amin'i Wikipedia

Ny fihafanan' ny tany dia fiakaran' ny hafanan' ny Tany[1]. 0,74 °C mafana kokoa noho ny tamin' ny 150 taona lasa ny mari-pana ankehitriny[2].

Ny mahatonga izany dia fitomboan' ny tahan' ny diôksidana karbônina (CO2) ao amin' ny soson-drivotra iainana, araka ny nambaran' i Svante Arrhenius efa zato taona laza izay. Rehefa mampiasa angovo fôsily toy ny arintany na ny solitany ny olona dia mampitombo ny tahan' ny diôksidana karbônina amin' ny soson-drivotra iainana. Mitombo ihany koa ny taha rehefa aringana ny ala, satria manala ny diôksidana karbônina amin' ny soson-drivotra ny zavamaniry.

Rehefa miakatra ny hafanan' ny Tany dia miakatra araka izany koa ny haavon-dranomasina. Ny anton' izany dia ny fiitaran' ny ranoka rehefa hafanaina. Ny fiakaran' ny haavon-dranomasina dia hahatondra-drano ny tanàna amin' ny morontsiraka. Hiova hany koa ny toetany toa ny habetsaky ny orana na ny oram-panala. Hiitatra ihany koa ny tany efitra. Hihamafana hatrany ny velarana nangatsiaka. Ho betsaka kokoa ny rivodoza ary mety ho kely kokoa ny vokatry ny tanim-boly.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. Campbell, Neil A. 2009. Biology concepts & connections; page 119. Retrieved 2010-07-21.
  2. IPCC (2007). "Summary for policymakers" (PDF). Climate change 2007: The physical science basis: Contribution of Working Group I to the Fourth Assessment Report of the Intergovernmental Panel on Climate Change. Retrieved 2009-07-03.
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy