Aller au contenu

Ardasira I

Avy amin'i Wikipedia
Sary sokitra maneho ny nametrahan' ny andriamanitra Ahora Mazda an' i Ardasira I eo amin' ny fitondrana.

I Ardasira I dia mpanjakan' i Persia tamin' ny taona 224 hatramin' ny taona 241 izay nanorina ny fianakavia-mpanjaka sasanida, sady zafikelin' i Sasàna.

Teraka tao amin' ny tanàna kely iray ao akaikin' i Istakra (akaikin' i Persepôlisy, ao Farsa) i Ardasira I. I Papàka mpanjakan' i Kira (Khir), izay nanompo ny mpanjakan' i Istakara, izay mpanompon' ny "mpanjaka lehibe" Artabàna IV (arsakida) izy. I Rôdaka no anaran-dreniny araka ny sora-tsokitra nampanaovin' i Sapora I zanany.

Mety hantsoina hoe Ardesira, Ardasera, Ardasesy, Artakserksesy na Artakserka I koa izy. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Αρταξέρξης / Artakserksês koa.

Rehefa maty ny rainy tamin' ny taona 212 dia nandimby azy i Ardasira I ka natao governoran' i Darabgerda (i Darab, any Iràna ankehitriny). Namono ireo rahalahiny izy, niady tamin' ireo mpanjaka madinika mpifanolo-bodirindrina taminy izy (taona 211-212) ka tamin' ny taona 224 dia voaongany koa ny "mpanjaka lehibe" Artabàna V (nanjaka tamin' ny taona 213 hatramin' ny 224), nandritra ny ady nifanaovany taminy tao Hôrmoza. Niantso tena ho Sāhān Sāh ("mpanjakan' ny mpanjaka", izany hoe emperora) i Ardasira I taty aoriana ka nantsoina hoe Dari Ardachir (izany hoe "Dariôsy-Ardasira") sady niezaka namerina indray ny firaisan' ny Empira Persiana araka ny fomban' ny Akemenida tamin' ny Andro Taloha. Nataony fivavaham-panjakana ny mazdeisma ka nanorina renivohitra vaovao izy, dia i Ktesifôna, izay miorina eo amoron' ny ony Tigrisy sy teo amin' ny niorenan' ny Seleokia. Tamin' ny faramparan' ny andro niainany i Ardasira I dia nitondra tafika niady matetika tyamin' ny Empira Rômana nefa tsy nahita fahombiazana. Nandimby azy i Sapôra I zanany. Nohajaina sahala amin' ny andriamanitra i Ardasira I fahavelony, ka taty aoriana dia nanjary olo-malaza teo amin' ny angano sy fedrà persàna.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy