Zanatsoratra

(tonga teto avy amin'ny Zanapeo)

Ny zanatsoratra dia litera ao amin'ny abidy izay noforonina mba hanoratana ny zanapeo. Ny renifeo, izay litera noforonina hanoratana ny renifeo, no mifanohitra sy mifameno aminy. Tsy ny abidy rehetra akory no ahitana fanavahana ny renisoratra amin'ny zanatsoratra satria misy ireo abidy atao hoe abjady izay tsy manana afa-tsy renisoratra ka ohatra amin'izany ny abidy hebreo sy ny abidy arabo.

Ao amin'ireo abjady dia misy ny renisoratra lasa ampiasaina hanoratana zanapeo ka asolo zanatsoratra, isan'izany ohara ny renisoratra hebreo Alef (א) izay anoratana ny zanapeo /a/ amin'ny teny sasany. Izany no atao hoe "reni-vakiteny" (latina: mater lectionis). Amin'ny abjady hebereo, mba hahamora ny famakian-teny dia noforonina ny atao hoe "nikoda" (hebreo: נִיקוּד / nikkud), izay soratra miendri-teboka na tsipika fohy dia fohy, mba hahamora ny famantarana ny zanapeo tokony ho heno ao amin'ireo teny tsy soratana afa-tsy amin'ny renisoratra ireo.

Jereo koa

hanova
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy