Ny fary dia zavamaniry famboly izay ao amin' ny karazana Saccharum (fianakavian' ny Poaceae na Gramineae, zana-pianakavian' ny Panicoideae), volena indrindra hahazoana siramamy izay alaina avy amin' ny tahony. Eo anelanelan' ny 2 sy 6 m ny halavan' ny fary ary 5 sm ny savainony rehefa lehibe.

Tanim-pary
Tahom-pary

Teo amin' ny tantara dia efatra no karazana fary novolen' ny olombelona voalohany indrindra avy amin' ny natiora, indrindra ny Saccharum officinarum (nataon' ireo Papoa any Ginea Vaovao), ny Saccharum sinense (nataon' ireo Aostrôneziana tany Taioàna sy tany amin' ny tapany atsimo amin' i Sina), ny Saccharum barberi dia novolena tany India taorian' ny fampidirana ny Saccharum officinarum. Novolena tany Ginea Vaovao koa ny Saccharum robustum.

Ankehitriny ny Saccharum officinarum dia ampivadina amin' ny Saccharum spontaneum, ny Saccharum robustum, ny Saccharum sinense, ary ny Saccharum barberi mba hahazoana vokatra tsara kokoa. Nanampy azy ireo ny Miscanthus sy ny Narenga ary ny Erianthus. Misahana ny famokarana siramamy betsaka indrindra (70 hatramin' ny 80 %) ny fary. Anamboarana alkaola (ny etanôly) koa ny ranom-pary.

Jereo koa

hanova
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy