Content-Length: 90986 | pFad | https://mg.wikipedia.org/wiki/Silisy

Silisy — Wikipedia Aller au contenu

Silisy

Avy amin'i Wikipedia
Dongom-pasika foronin-tsilisy

Ny silisy na diôksida-na silisiôma (SiO2) dia hita amin' ny firafitry ny mineraly maro. Ny silisy no tena taharo fototra ao amin’ ny fasika. Miseho amin' ny endrika kristaly isan-karazany na tsy misy endrika jeômetrika ny silisy, ary mitambatra amin' ny ôksida hafa (Al2O3, FeO, MgO, CaO, Na2O, K2O, sns.) ao amin' ny silikata. Ny silikata no singa fototra amin' ny sosona ambony amin’ ny Tany. Ny silisy dia tena misy betsaka ao amin' ny natiora, amin' ny endrika vatokaranana na koartsa sy kalsedoana ary diatômita.

Rehefa ambonin' ny fetra sasany ny fatra voatelina amin' ny vovoka silisy sy ny poti-tsilisy bitika dia mampidi-doza. Izy no fototry ny aretina silikôzy sy ny aretina maro hafa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]








ApplySandwichStrip

pFad - (p)hone/(F)rame/(a)nonymizer/(d)eclutterfier!      Saves Data!


--- a PPN by Garber Painting Akron. With Image Size Reduction included!

Fetched URL: https://mg.wikipedia.org/wiki/Silisy

Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy