Content-Length: 59288 | pFad | https://mg.wikipedia.org/wiki/Hevitra_efatry_ny_Soratra_Masina

Hevitra efatry ny Soratra Masina — Wikipedia Aller au contenu

Hevitra efatry ny Soratra Masina

Avy amin'i Wikipedia

Ny hevitra efatry ny Soratra Masina dia fomba fandikana hevitra izay manavaka karazana na ambaratongam-bakiteny efatra ao amin' ny Baiboly. Io foto-pitsipika misy hevitra efatra io, izay teraka tao anatin' ny jodaisma, dia noraisin' ny kristianisma hatramin' ny Rain' ny Fiangonana ary avy eo nivelatra tamin' ny Andro Antenatenany. Lasa tsy nampiasaina intsony amin' ny ampahany io fomba fiasa io amin' ny andro môderina, nefa nifoha indray ny fahalianana aminy tamin' ny taonjato faha-20.

Ao amin' ny lovam-pampianarana jiosy, ao amin' ny Kabala, io endriky ny hermeneotikan' ny Baiboly io dia manavaka heviny efatra ao amin' ny lahatsoratry ny Baiboly: ara-bakiteny (Pshat), an-kolaka (Remez), hômiletika sy matafôrika (Drash) ary mistika (Sod). Ny lovam-pampianarana kristiana dia mamaritra ireo ambaratonga efatra ireo amin' ireto teny ireto: ara-bakiteny, am-panoharana (alegôrika), trôpôlôjika (na môraly), ary anagôjika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]








ApplySandwichStrip

pFad - (p)hone/(F)rame/(a)nonymizer/(d)eclutterfier!      Saves Data!


--- a PPN by Garber Painting Akron. With Image Size Reduction included!

Fetched URL: https://mg.wikipedia.org/wiki/Hevitra_efatry_ny_Soratra_Masina

Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy